Ry Fanahin'aina, Mpanazava saina, Mpampionom-po ! O, mba akekezo Ireto miambezo Hamindranao fo ! Hazavao Ny olonao, Mba handraisanay tokoa Fanomezan-tsoa ! Mba ampivavaho, Hafanao re aho Hanakalaza Anao ! Hataka sy sento Asandrato, ento, Ka valionao ! Anehoy Sy ampinoy Ny famindrampo mamonjy Izay te-ho tra-bonjy ! O ! mba amosahy Fahazavam-panahy Ny fisainanay, Ka ny tarafo, Andreheto afo, Ny fanahinay, Ka ombay Re izahay, Raha antsoinao hanambara Ny Filazantsara ! O ! ry Andon'aina ! Tany karankaina Mba vontosinao ! Dia ho vanom-boa, Hahavoka-tsoa Re ny volinao ! Indrafo Sy teny to No harena antenaina Hanavao ny aina. O ! mba areheto Sy ampahareto Ny finoanay ! Izahay afaho, Ampahatanjaho Ny fanahinay ! Tompo ô ! Miraiki-po Aminao ny olom-bery Tonga manan-kery. Raha mitoloko,o Tano re ny foko Tsy handao Anao, Ka tsilovy dia, Tsy haniasia, Hahatody ao Aminao Ny Zanakao Ao ny lova andrandraina Fahasambaran'aina.Vzpomínka С небес пришёл Ты بۇ خۇشلۇق كۈن Севинин кардашлар, хер заман севинин ! Our God is greater Náš Bůh je větší THIH AH THIH HNAWH PHU พระองค์โอ้พระองค์ Veľkú milosť udeľuješ Dove... senza Te Мой Бог, моя жизнь
Song not available - connect to internet to try again?