Ry Fanahin'aina, Mpanazava saina, Mpampionom-po ! O, mba akekezo Ireto miambezo Hamindranao fo ! Hazavao Ny olonao, Mba handraisanay tokoa Fanomezan-tsoa ! Mba ampivavaho, Hafanao re aho Hanakalaza Anao ! Hataka sy sento Asandrato, ento, Ka valionao ! Anehoy Sy ampinoy Ny famindrampo mamonjy Izay te-ho tra-bonjy ! O ! mba amosahy Fahazavam-panahy Ny fisainanay, Ka ny tarafo, Andreheto afo, Ny fanahinay, Ka ombay Re izahay, Raha antsoinao hanambara Ny Filazantsara ! O ! ry Andon'aina ! Tany karankaina Mba vontosinao ! Dia ho vanom-boa, Hahavoka-tsoa Re ny volinao ! Indrafo Sy teny to No harena antenaina Hanavao ny aina. O ! mba areheto Sy ampahareto Ny finoanay ! Izahay afaho, Ampahatanjaho Ny fanahinay ! Tompo ô ! Miraiki-po Aminao ny olom-bery Tonga manan-kery. Raha mitoloko,o Tano re ny foko Tsy handao Anao, Ka tsilovy dia, Tsy haniasia, Hahatody ao Aminao Ny Zanakao Ao ny lova andrandraina Fahasambaran'aina.Світила в небесах і сльози на очах Dobrý si Pán Садък Олан ạlrb wʿdnạ wwʿdh ạ̉myn Отчаян от живота Stań wędrowcze For the Lord is Good Льется песня радостной рекою Ики ҹаны бир үрəкдə, ики ҹаны бир дилəкдə kạn nfsy̱
Song not available - connect to internet to try again?