( Hira Paska ) Ry foko, mitsangàna izao Ka miderà ny Tomponao, Andriamanitsika. Nasehony ny heriny. Ny fasana levoniny Tsy hahatàna antsika. Derao ! Hobio ! Haleloia sy hosana, Fanjakana : Azy Tompom-pahefana. He ! vitanao Mpanavotra Ny lova mahasambatra : Ny fasana resenao. Mahazo toky fatratra, Ny mitomany, sasatra : Ny lanitra vohanao. Jeso Kristy Izay nitsangana maraina Tompon'aina : Andro Paska, arahabaina. Derao ny voninahiny ! Ankalazao ny heriny, Fa resy re satana. Ry tany sy ry lanitra, Derao Andriamanitra Akaro ny hosana. Raiso Tompo, Raisonao ny voninahitra Aman-dera : Ho anao, ry Zanakondry.Mon enfant, redoute Ím, néped Dia Nobatkanlah Salmo 150 Betesta er åpen Desert Song 有一件事 القىش جانا داڭق پادىشاعا Życie to, jedno, dał Bóg وقت لما تكون صعابي
Song not available - connect to internet to try again?