Ry foko ô, mba atolory Ny Rainao ny manjo anao ; Na mafy aza ny mahory, Dia hovonjeny hianao ; Ny lanitra no andrandrao Hahafaka ny sentonao. Andriamanitra mahita Izay hahasambatra anao, Ka Izy no mahay mamita Izay zava-tsarotra aminao ; Tsy hotsitsiny aminao Izay mety hahasoa anao. Ka aza kivy, ry mahantra, Na ory aza hianao, Fa matokia ny Mpiantra, Izay tsy mahafoy anao ; Ny amboariny izao Dia famonjena ho anao. Dia aoka hianao hatoky, Raha mafy ny manjo anao, Ny Rainao dia mahatoky, Ka ampy hiankinanao ; Tsy misy tsy ho afany Raha avy ny fotoany.Ty si svätý, svätý, nik nie je ako Ty لحن أوكيريوس Aıqara ashyldy Kóktiń qaqpalary Мен Сені сүйем Небо надо мной مش ممكن يرتاح - ساتر ميخائيل Ах, Не Татлъ Иса Исми! Op Berge en in Dale أمشي في النور Да
Song not available - connect to internet to try again?