Ry foko ô, mba atolory Ny Rainao ny manjo anao ; Na mafy aza ny mahory, Dia hovonjeny hianao ; Ny lanitra no andrandrao Hahafaka ny sentonao. Andriamanitra mahita Izay hahasambatra anao, Ka Izy no mahay mamita Izay zava-tsarotra aminao ; Tsy hotsitsiny aminao Izay mety hahasoa anao. Ka aza kivy, ry mahantra, Na ory aza hianao, Fa matokia ny Mpiantra, Izay tsy mahafoy anao ; Ny amboariny izao Dia famonjena ho anao. Dia aoka hianao hatoky, Raha mafy ny manjo anao, Ny Rainao dia mahatoky, Ka ampy hiankinanao ; Tsy misy tsy ho afany Raha avy ny fotoany.rby tsbyḥ qlby Зеро, ки меҳри Худо ҷовидонааст wǒ jīn tiān wèi nǐ zhù fú О Божьем потоке воспой ạ̉by ḍllt ḥyn trkt Reb meniň nurum Det er Ditt Blod som renser meg Samoviy Otamizga In this Desert Called the World Saǵan meniń alǵısım kóp, o, Iysa!
Song not available - connect to internet to try again?