Ry hava-malala misaona Mangina fa mbola hihaona Isika sy izy nalaina, Raha tonga indray ilay maraina. Ny naman'ny tany ihany No mody ho amin'ny tany, Ka dia ny fanahy mifindra Ho amin'ny Avo indrindra. Tsy mainsty afafy aloha Ny vary vao mety hamoa ; Ny faty halevina koa Tsy very fa mbola hifoha. Dia miandrandrà, ry mpisaona ! Ho avy ilay lohataona, Ka dia haniry ny voa, Izay misy ny ain'ny Tsitoha. Ho avy ny Tompon'ny aina Hiantso ny vovoka maina Hitafy ny fahazavany Sy hiditra ao am-panjakany. Faingàna, ry Kristy Mahery, Ry Fanantenanay irery, Ny fasanay iva tsarovy, Ny toky nomenao mba tovy !Ty si jediný يا مسيحي qdws qdws ạnt hw ạlqdws Шүкүрлəр едирəм, Аллаһым, Сəнə I Rest In God Alone Svätý, svätý II. Есть два дивных чуда в мире My Delight Кечир, Сага мен татыксызмын Под скъпата кръв на Христа
Song not available - connect to internet to try again?