Ry Jehovah, Ray Mpahary Sy Mpamelona anay, Tsapanay fa tsy manary Hianao Mpitondra anay ; He, mandrotsa-pitahiana Sesehena Hianao, Ka dia feno fifaliana Izahay mpanomponao. Noteneninao ny tany, Notarihinao izahay, Ka nitobaka aoka izany Izao ny vokatra azonay. Feno hika isan-taona Ny fitiavanao anay, Ka aoreno tsy ho foana, Tompo ô ! ny asanay. O ! mba raiso re, ry Tompo, Izao fanatitray izao ; Enga anie ka mba hitombo, Handrosoan'ny hanitrao. Raiso koa sy hamasino, Ny fonay hiasanao ; Ny Fanahy ampidino Hampahery, hanavao.ạ̉nạ ʿạzm 唱诗就有力量 أنا بطل Lampara Es Tu Palabra Ey Bütün İmanlılar Rabbi Övün Сьоз Pasterzem jest صلاة 3 Священный огонь разгораясь над миром Как мало говорим о любви
Song not available - connect to internet to try again?