Ry Jeso Kristy Tompo, O ! ampio ny olonao ! Ampianaro mba hanompo Sy hanao ny sitrakao ; Malemy aho re, Ka omeo ny herinao, Tsy hivily, tsy hania, Fa hanara-dia Anao. O ! vonjeo, o ! vonjeo, Ka tantano sy jereo ; Aza afoy izahay, Fa Hianao no Avotray. Ny foko mba diovy, Ry Mpamonjy lehibe ! Ka ambeno sy arovy, Sao dia very aho re, Iriko indrindra koa Ny hitombo sy hamoa, Ka ny voka-tsoa rehetra Ho Anao, ry Jeso ô ! O ! vonjeo, .. sns. Mba raisonao, ry Tompo ! Ho Anao tokoa izao Izay ananay rehetra, Ka anarano fo izao, Fa maty Hianao Noho ny fitiavanao, Ka tsy hainay hadinoina Ny fitiavanao anay : O ! vonjeo, .. sns.Herşeyi gören O, miłości wieczna Prečože zabúdame De prin valuri, de prin valuri Lord, keep us safe this night / Combe Martin مدللني ومباركني جاراتقاندى داڭقتاپ باارىڭ Noel (feat. Lauren Daigle) నా ప్రియ యేసురాజా عايزين يا رب
Song not available - connect to internet to try again?