Ry Jeso Kristy Tompo, O ! ampio ny olonao ! Ampianaro mba hanompo Sy hanao ny sitrakao ; Malemy aho re, Ka omeo ny herinao, Tsy hivily, tsy hania, Fa hanara-dia Anao. O ! vonjeo, o ! vonjeo, Ka tantano sy jereo ; Aza afoy izahay, Fa Hianao no Avotray. Ny foko mba diovy, Ry Mpamonjy lehibe ! Ka ambeno sy arovy, Sao dia very aho re, Iriko indrindra koa Ny hitombo sy hamoa, Ka ny voka-tsoa rehetra Ho Anao, ry Jeso ô ! O ! vonjeo, .. sns. Mba raisonao, ry Tompo ! Ho Anao tokoa izao Izay ananay rehetra, Ka anarano fo izao, Fa maty Hianao Noho ny fitiavanao, Ka tsy hainay hadinoina Ny fitiavanao anay : O ! vonjeo, .. sns.Սուրբ Ծնունդ جاشوومدو سەن داڭقتال، تەڭىر وين الطريق Ey ogʻir yuk ostida qiynalib, horib-tolgan Ара Бютюн Дюняйъ Истəјирəм азад олам 24 ağsaqqal Ey Küçük Beytlehem Şehri, Ne Kadar Sessizsin! Страшно бушует житейское море Lalpa Siem Salem Thak
Song not available - connect to internet to try again?