Ry Jeso ô ! tahio izahay Atý am-pandehananay ; Ny hadalanay avelao, Ny fonay koa ovay ho vao, Arovy re ny olonao, Ny lalanay mba hazavao. Ny aizim-be alehanay, Mamely koa ny rafinay ; Tsy fantatray izay hanjo Ka be ny tahotra ao am-po. Arovy re ..sns. Mikasa mafy izahay Ho tsara, nefa fantatray Fa raha tsy ambininao, Tsy misy azonay atao. Arovy re ..sns. Mba tano mafy izahay Ambara-pahafatinay, Dia ento ao an-danitrao Izahay ho faly aminao. Arovy re ..sns.kạn ywm sʿyd بۇرالاڭ تار جولمەن اتتانىپ بارامىن qdys fyk lyk ạlslṭạn ḥty̱ ạ̉ry̱ dwmaⁿạ Tma sa trasie ạltwzyʿ ạlṣyạmy La vigna del Signor Бу Ҳушҳабар Il tuo amore
Song not available - connect to internet to try again?