Ry Jeso ! vory izahay, Fa andronao anio Dia avy mba hivavaka Atý an-tranonao. Ka na aiza na aiza ny olonao No vory toy izao Ny herinao mba asehoy, Efao ny teninao. Ny hira ikambananay Atý an-tranonao. Ekeo ho fanandratana Ny voninahitrao. Ny vavaka tononinay Eo anatrehanao. Mba raiso ho fanatitra Ankasitrahanao. Ny teny fitarainana Ataon'ny ory koa Soloy fifaliana Hisaoranay Anao. Ny teninao halahatra Hambininao anie Hamelom-pitiavana Am-pon'izay mandre.Куда спешишь ты окруженный суетой Как хорошо и как приятно We cry Holy Голгофа PORQUE ELE VIVE Du er trofast Twamsifu Mungu ạ̉ḥtạj ạ̹lyk Mám v Božom Slove istoty zdroj stály trtạḥ ạlnfws
Song not available - connect to internet to try again?