Ry Jesosy mba tantàno, Ho tafita soa arý Ka ambeno sy sakano Izay rehetra loza atý. Rano be mangeniheny Izao alehako izao, Ka aoka Hianao hiteny Mba ho tokiko hatrao. Aza miandry ao am-pita Sao dia fefika aho atý ; Fa avia hiara-mita, Dia ho tody soa arý. Raha sendra ka manonja Izany alon-drano be, Aoka Hianao ho tonga Hampitony azy re. Ao ny rivotra mahery Mety hampivadi-po, Fa ny feonao irery Mampisava ny manjo Any koa ny vatolampy, Sy ny biby maro be. Fa ny herinao dia ampy, Ka vonjeo ny zanakao. Ry Jesosy ! Mihainoa, Izao fivavako izao, Mijoroa, misehoa, Ka jereo ny diako izao ; Mbola lavitra ao am-pita Ka tsy hita izay hanjo, Toy ilay tao Genesareta, Misehoa Hianao !Můj veliký Con gli occhi di sempre Il desiderio di te Всё - для Твоей славы Já věřím a vyznávám Тебя я славлю - Ты провёл меня сквозь шторм Дух Святой Ты как голубь с небес Bizim için can verdi Հոգուս Խավարը Ճեղքող Լույս Братья и сёстры дорогие
Song not available - connect to internet to try again?