Ry Jesosy Tomponay Ravoravo izahay ; Tonga izahay izao Mba hihaona Aminao ; Indro misy tranonao Hitokananay izao. Ka mangataka Aminao Izahay, ry Tompo ô ! Aoka mba horaisinao Izay nataonay ho Anao : Trano fiangonana Trano fivavahana. Aoka mba ho fantatray Eto ny alehanay, Fa vahiny izahay, Ka ny tanindrazanay Dia any Aminao ; Koa mba tarihonao. Aoka ny Anaranao Mba hohamasininao ; Aoka ny Fanahinao, Mba ho tonga hanavao Ny mpanota marobe, Dia hovoavonjy re ! Ka ny fiadananao Ampombay ny olonao, Hampikambana ny fo, Ka ho toy ny iray tam-po, Mba hifankatiavanay Izao sy rahatrizay.నీ ధనము నీ ఘనము mạfạrqnysẖ قلبي مليان أفراح Идваш тук щом издигнем Теб Танръмъз Иса Танръмъз Иса Ким сусајыб, ҝəлиб ичсин يسوع ما أجوده Jésus a mis un chant nouveau dans nos coeurs И небо так близко O, szczęście zbawionym być Twą
Song not available - connect to internet to try again?