Ry mino ô, avia re ! Hiara-mankalaza Ilay Mpanjaka lehibe, Fa tena mahagaga Sy sarobidy anie Ny fahasoavan-dehibe Nomeny ho antsika. Tsy asa soa vitako No tokiko anefa, Fa ny Andriamanitro No tsy nisalasala Hanafaka ny otako, Nomeny mba ho avotro Ny Zanany malala ! Jesosy faly eram-po Hamonjy ahy very, Ka azoko ny indrafo. Izay vitan'Izy irery Izaho tena afa-po. Tsy misy atahorako, Izaho tsy ho very. Jesosy Kristy Tompo ô ! Izaho ta-hamaly Ny teny fiantsoanao : « Mba manatòna Ahy ! Izaho dia ho anao, Ho Ahy kosa hianao » Ka manampia ahy. Ny ranao soa nitete No nanadio ahy Ny ainao sarobidy re No nanavotana ahy Mba hitokiako anie Ny famonjena lehibe Natolotrao ho ahy. Isaorana eram-po anie Ny Tompo Zanahary, Fa Izy efa nanome Ny Zanany nijaly, Ka ny devoly lozabe, Ny Ho resy sy ho faty. ota sy ny helokaE viu, e viu, Isus Hristos e viu Törött edény جۇرەك كوزىن اششى يەم.. Я только за Тобой пойду mlk ạlmlwk Кадаггъурча Яв рякъяр Come il tralcio Ty si Boh, moja spása Давут'ун Дуасъ (Орижинал) Света Главо, ранена
Song not available - connect to internet to try again?