Ry Mpamonjy olom-bery ! Ry Jesosy tia anay ! Izahay tsy manan-kery Tsy mba hendry, tsy mahay, // Koa Hianao irery No mba iankinanay // Ry Mpamonjy be fitia ! Aza ilaozanao izahay ; Ry Jesosy ô ! avia, Hianao no tanjakay ! // Miarova, manampia, Be ny fahavalonay // Ry Mpamonjy ! mitantàna izao mpanomponao izao ; Be tokoa ny fikasana Ta-hanao ny sitrakao // Nefa be ny fahosana Momba ny mpanomponao // Ry Mpamonjy, Jeso tia ! Mivimbina, mamonje ; Ry Mahery, manampia ! Miambena, mijere ; Miarova, mitariha, Ry Sakaiza lehibe !Samodan Kelgan Najotkorimsan 主说复活在他 Abba Père Месих Иса Дирилди Broken Vessels Cikin Zukatanmu Duka, Sai Mu Bincike Yanzu Teńi joq mehriń Seniń Бог сотворивший мир Bar kúshimdi Tu mi hai cercato
Song not available - connect to internet to try again?