Ry Mpamonjy, Tompo soa ! Avy izahay izao, Mba hanaiky sy hanoa, Ka hiverina Aminao, Hianao no ranon'aina Mahavelona ny fo ; Hianao no antenaina Mba hanala ny manjo. Indreto izahay mpanota Efa diso taminao, Mamonje sy manavota Ny fanahinay izao, Hianao no mahavonjy Izay miankina Aminao ; Koa raiso, ry Mpamonjy ! Ny fifonanay izao. Ry Jesosy be fitia ! Mba tantano izahay, Fa ho lavo sy hania Raha tsy hazoninao. Tsy mba misy mety very Eo am-pelatananao, Fa Aminao no misy hery Mahatanjaka ny fo. Tompo ô ! mba tanteraho Izay rehetra mahasoa, Ka ny otanay afaho, Fa manimba anay tokoa, Mampianara anay haniry Mba hanao ny sitrakao, Hahazoanay ny hery Eo am-pelatananao.Ty si svetlo يا نفسي دوما باركي Inima de dor suspină There's Something About That Name Hallé un buen Amigo Пусть ввысь несется песнь хвалы Kamil Allahım Anakdomba Allah Иисус - не знал я это имя Кутсал, Кутсал
Song not available - connect to internet to try again?