Ry mpisaona malahelo, Mijere ny Tomponao, Izay namindra ny malala Mba ho ao an-danitra ; Mba fafao ny ranomaso, Andrandrao ny lanitra Mitsahara, ry mpisento, Ka derao ny Tomponao ! Nofo no anterintsika Ao am-pasana anio ; Ny fanahinay anefa Tsy mba ao anatin'io. Jeso no namindra azy, Lasany ny havanao, Fa navotany ho Azy, Ka derao ny Tomponao ! Mangataha fahendrena, Ka isao ny andronao ; Mikatsaha famonjena Sy fiainana vaovao, Mba horaisiny tokoa Honina any Aminy, Ka hekeny ho sakaiza, Mba ho ao an-tranony.ʿmrk msẖ mḍmwn من لي سواك He, izany hira manako re ạstrny̱ ạlhy̱ bydyk Glory To His Name Ocean Floor Tvé svaté jméno btmr ạlsnyn Хвалите Творца и прославьте Его Ти знайшов, Боже, мене
Song not available - connect to internet to try again?