Ry olo-matory ô ! mba mifohaza, Fa indro Kristy, Ilay Fahazavana Izay tena malaza, Dia tonga atý, Ka aza matory, Fa mba atolory Ny fonao izao Mba hanazavany anao. Atý dia matevina sady mahàna Ny zavona be ; Ny sento, taraina sy fitomaniana Dia misy anie, Ry olo-mahantra, Jereo ny Mpiantra Henoinao izao Jesosy nanavotra anao ! Atý dia mangentana sady be ady, Ka maro no voa ; Tsy tambo isaina ireo mitady Fiadanana am-po Dia aza tomany, Fa eto ihany Ilay nanome Ny fahasoavana be ! O, miandrandrà ka jereo ao ambony, Fa antoandro izao, Falia toa zaza, tahafo ny fony, Ny Tompo derao, Na misy ny onja Sy ota mandoza, Dia mbola derao Jehovah Mpiaro anao ! O, mendrika hankalazaina Jehovah Izay manome Ny lalana sy fahamarinana koa Sy fiainana be Tsilovy, ry Kristy, Ny lala-mahitsy Izorako izao, Tantano re ny zanakao !أميت جسدي Давайте воспоём 曾有很多的时候 Ať příjde probuzení قد علمت ความรักมั่นคง Я раньше не допонимал Unos de los otros se apartarán ۋا، ٴتاڭىر جانىمداسىڭ Эзэн Таныг ивээг - Өдөр бүр Эзэн таныг
Song not available - connect to internet to try again?