Ry Raiko feno antra ! Inty ny zanakao, Ny foko dia mahantra Raha lavitra aminao ; Fa tany karankaina Izao tontolo izao, Ka reraka ny aina Mihataka aminao. Nivezivezy aho Nikaro-java-tsoa, Izay rehetra hita Nandramana avokoa ; Nandany taona maro Nanaran-tsitrapo, Kanefa tsy nahazo Izay mahafa-po. Mamitaka mihitsy Izao tontolo izao, Ny mamy dia mangidy, Izay tena soa tsy ao ; Koa aza mba adalainy Intsony re, ry fo ! Andeha mba ho hendry Hatramin'ny anio. Ry Jeso, Mofon'aina Sy Ranon'aina koa ! Hianao no mahatòny Izay filan'ny fo ; Hianao no mahavoky Hianao no manome Izay irin'ny foko, Dia hasambaram-be.Тэр өндөр оргил Мама твой образ милый Iza no hanoa ny Tompo lehibe ? تقدم يا شعبي Daca toate trec în viaţă Quale amore Jehovah Tompo o! 人世间 Жизнь пролетела ты только заметил Ó, ujmi ruku moji
Song not available - connect to internet to try again?