Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Efa nanota teo imasonao Ity Zanaka mahantranao ; Ninia niala teo an-tranonao Mangovitra ny feoko, Torovana ny foko, Kanefa tazako Hianao Ka mamelà, mamelà, Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Ho tanterahiko ny anjarako ; Mandao ny lalako taloha; Izay nanalavitra ahy taminao Tratrariko ny eo aloha, Ilaozako ny lasa, Inoako ny famindramponao Ka mamelà, mamelà, Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Atsory amiko ny tananao Hamelona ny heriko Fa reraka aho, ka tantanonao Ny fitiavanao, Ray ô ! Fanilo sady toky Andraisako fiadanam-po, Ka mamelà, mamelà, Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô ! Ho olom-baovao itý zanakao Raha tonga eo akaikinao Fa ho sasan'i Jeso Tompo tia Tsy tapitra ny antranao, Fa manana amby ampy Dia manantena aho izao Ka mamelà, mamelà, Raiko ô !Gentle Mary Laid Her Child آتي إليك mn gẖyr kuswf НЕ Е ЛИ ТОЙ Najotkorim bor Môj Boh, Ty si môj Pán Құтқарушы Патша Gud din skjonnhet ప్రేమ యేసుని ప్రేమ అది Devotion
Song not available - connect to internet to try again?