Ry Raiko ô ! tariho ny zanakao, Tariho re ! Fa maizina izao lalako izao, Tariho re ! Tsilovy, ka omeo finoana, Tantano am-pandehanana. Izay ela izay ny lalan-tsitrapo No tiako ; Izay ela izay izao tontolo izao No mamiko ; Kanefa izao, tariho ny zanakao, Ry Raiko ô ! handia ny lalanao. Tsy mba ahoako ny loza atý an-dalana ; Tsy te-hitsinjo koa ny arý an-koatra ; Fa isan-andro alaharonao, Ry Raiko ô ! ny dian'ny zanakao. Na mbola lavitra aza re izay alehako, Tarihonao ambara-pahafaka ny alina, Dia vao hitsahatra ny zanakao, Ry Raiko ô ! arý an-danitrao.Шоҳона Масиҳийман O Jésus, Prince généreux Tu sei per me Ով Աստված Հզոր Ol máńgi sẖʿbk sẖʿby Ka Bishe Ni, Ya Jehovah Обитель моя у потоков живых MI KIP CA BAIBAL THIANG أنا هنا عشان أمجد اسمك
Song not available - connect to internet to try again?