Ry Tompo be fitia ! Izaho zanakao Tantano tsy hania Hiaraka aminao ; Fa mamiko tokoa Ny eo ankaikinao ; Tsy orin-java-tsoa, Izay sakaizanao. Harena be an-tany Mamilivily fo, Fa tiana mora lany Ka tsy mampionom-po ; Izany aniriako Hifikitra aminao ; Atolotro ny foko Ho eo an-tananao. Fa raha Izaho irery Voasakan-tsitrapo, Mandeha manirery, Ka maro no manjo ; Izany no ilàko Hiaraka aminao, Vimbino aho, Raiko ! Ho eo an-tananao. Tsy hitako mihitsy Izay mahafa-po, Tsy misy etý akory Izay tsy mety lo ; Fa ao am-paradisa No feno zava-tsoa, Tsy mahadisadisa, Fa sambatra tokoa.Men ele bilmigende Qudaydı Кел балалар ән салайық yạ yswʿ yạ gẖạly rḥmh ktẖyrạaⁿ ạ̹rḥmny̱ - mwsyqy J'aime l'Eternel Нони ҳаёт Что сравнится с любовью Твоей Iso Xushxabar keltirdi lạ ystḥyl ʿlyh sẖỷ Salvador, A Ti Me Rindo
Song not available - connect to internet to try again?