Ry Tompo ô ! tariho Ny ondrikelinao, Tantano sy vimbino Hanao ny sitrakao ; Raha misy hafaliana, Dia taomy mba ho tia ; Raha sendra fahoriana, Sakano tsy hania : Ry Jeso ô ! tazano Ny lalanay izao, Tariho sy tantano Ho ao am-balanao ; Anio dia mikasa Hanolo-tena koa, Fa nenina ny lasa Hiezaka tokoa. Anio ho hafaliako, Ny foko lasanao, Ny maminao no tiako, Hatao ny sitrakao, Ny androko rehetra, Atolotro Anao ; Anao tsy misy fetra, Ka raiso, anjakao : Ry Jeso ô ! tazano .. sns.Отзовись мой Боже сильный شكراً ليك على الحرية Vet du hvorfor jeg er så glad yạ ạ̉bwyạ عد يا إله القوات Да Бог Unknown yạrb mạ ạ̉ktẖr mḍạyqynạ Nam miłość Jezusa Алилуя! Исус победител Си!
Song not available - connect to internet to try again?