Ry Tomponay Tsitoha ô! Mpanao izao tontolo izao, Ankalazainay Hianao Fa lehibe ny herinao, Ny hiran'ny anjelinao Manerana ny lanitra, Manehoeho fatratra Ny hobin'ny voaavotra; Fa masina, fa masina, Fa masina i Jehovah! Ka heniky ny lazanao Ny tany sy ny lanitrao. Ireo mpitory irakao Mihoby eo anilanao, Nahefa fanompoana, Mihira ny fisaorana Izao olonao rehetra izao Dia mino sy manaiky Anao Ho Ray Tsy miova sady to, Mahery ny mpamindra fo. Ny Zanakao nirahinao Sy ny Fanahy Masinao Isaoranay Anao, ry Ray, Fa foto-pamonjena anay! Ry Kristy ô, Mpanjakanay Mitovy hery amin-dRayهيا بفرح نشدوا لساني الصغير يا مالك القلب وحدك مجد عظيم nǐ shì yī zhǎn dēng Ты радость None but Christ can satisfy/ O Christ, in Thee my soul has found Gridiam di gioia mạdmt fy sfynty Şi dacă încercarea loveşte
Song not available - connect to internet to try again?