Tompo ô, endrey ny fitahiana Izay natondrakao ny zanakao Vory eto, feno fifaliana Ampoky ny fahasoavanao. Izay rehetra nikelezan'aina Dia nombàn'ny fitantananao Vonona avokoa izay nilaina Tsy mba lany ny harenanao. Indro trano efa novitaina Hanasoavana taranaka Hitaizàna, hanolokoloana Ireo tanora halain-tahaka, Izay voafafy, antenaina Mba hamokatra tsy tapaka ; Dia ho vanona ny firenena Ka hitombo, hisandrahaka. Izany re, ry Tompo, no finoana Tananay, ka mba herezonao, Izahay handroso tsy hivoana, Eo ambany fiarovanao, Ka ny fangataham-pitahiana Tompo ô ! akarina Aminao Ny Anaranao no iaingàna Hoderaina ny Anaranao.Отчего ты скажи головою поник Tanrıma Hamdedeceğim! Odovzdám مخلصي ذبحت - هرماس سمير Deyil güzel sözler ile Ludia sa ma pytaju Řekl Bůh Ritornerà Kdy pak už končí cesta má Фикирлəш бир ан, достум, сəн
Song not available - connect to internet to try again?