Tonga ny andro malaza, izay mahafaly, Indro nandresy Jesosy Ilay vao nijaly ; Velona indray Izy, natsangan'ny Ray, Aoka isika hifaly ! Efa nahery Jesosy, ka resy Satana ; Menatra mafy ireo fahavalo nitana ; Ka mba zahao : rava ny fasana izao, Rava, fa tsy nahatana ! Helo sy fahafatesana, resy tokoa, ary ny tambin'ny ota dia efa naloa ; Jeso, Izay maty ka velona indray, Tompon'ny aina tokoa ! Mba mihobia, ry olona mino rehetra ; An'i Jesosy ny hery izay tsy voafetra ; Izy nanao làlana tsara vaovao Resy ny ratsy rehetra. Faly Isika fa manana fanantenana, Mbola hiantso Jesosy hoe : « Mitsangàna ! » Amin'izay, velona mandrakizay Ny nodimandry tra-bonjy.Сенин чексиз сүйүүң жүрөктү жылытат Praises ხალხი დაეძებს თავის გმირებს Любоў Твая 看守自己衣服的那人为有福 Kim Layıktır? ʿlmny̱ yạ rb ạ̉ḥbk Oare la usa cine-i أتي إليك بعد أرتحالي
Song not available - connect to internet to try again?