Tsy haiko ny milaza re, 'Lay fahorianao Irery tao Getsemane Ry Tompo masina ô ! Tarihonao ny saiko e Ho ao Getsemane. Hahita ny fitiavanao Izao tontolo 'zao. Fitiavana ahy re, Ry Tompo masina ô ! No niaretanao Izao mangidy 'zao ! Nangorohoro mafy re, Ny fonao, Jeso tia ! Ny tsembokao'zay nitete, Nanjary toy ny ra ! Endrey, ny fahorianao Nangotraka tokoa ! Tsy maintsy nosotroinao Ilay kapoaka tao ! Fitiavana ahy ..sns. Ho ahy re, ho ahy re, No niaretanao Irery tao Getsemane Jeso malala ô ! Sintoninao ny foko ê Ho ao Getsemane. Hahita izay niaretanao. Ho tena tia Anao ! Fitiavana ahy ..sns.Dayan Öyleyse พรจงมีที่นามแห่งพระองค์ قد غرقت في الشرور Zem i nebo hlása En ton nom, Seigneur rydhạ Chihowa Holitopa ma! Дар ҳаётам Ту машғул шав Nel silenzio أنت قدوس
Song not available - connect to internet to try again?