Tsy haiko ny milaza re, 'Lay fahorianao Irery tao Getsemane Ry Tompo masina ô ! Tarihonao ny saiko e Ho ao Getsemane. Hahita ny fitiavanao Izao tontolo 'zao. Fitiavana ahy re, Ry Tompo masina ô ! No niaretanao Izao mangidy 'zao ! Nangorohoro mafy re, Ny fonao, Jeso tia ! Ny tsembokao'zay nitete, Nanjary toy ny ra ! Endrey, ny fahorianao Nangotraka tokoa ! Tsy maintsy nosotroinao Ilay kapoaka tao ! Fitiavana ahy ..sns. Ho ahy re, ho ahy re, No niaretanao Irery tao Getsemane Jeso malala ô ! Sintoninao ny foko ê Ho ao Getsemane. Hahita izay niaretanao. Ho tena tia Anao ! Fitiavana ahy ..sns.Giorno dopo giorno mạ ạ̉ḥly̱ ạlsjwd Боже, в серцях наших розпали вогонь Merci pour la croix Раббимнинг бизга берган инояти Іздеп жүрген бар әлемнің адамы مراية Reinige mein Herz ఇన్నేళ్ళు ఇలలో ఉన్నాము Давудун шəһəриндə
Song not available - connect to internet to try again?