Tsy hangina re ny hoby, noho hianao ry Ziona ; Fa miposaka aminao ny fahazavana soa ; Ny fanilom-pamonjena, indro fa torina Hanazava ny olona tokoa. Mivoaha, asandrato ny faneva soanareo ; Tsenao re ny Mpanjaka, fa avy aminao Ny famonjeny sy ny lova izay atolony anao Satria hianao dia tsy foiny. Voninahi-panjakana isaloranao Sy anaram-baovao no iantsoana anao Fampakaram-bady, fety anaingàna anao Mba ho an'i Kristy, Ilay Tomponao. Mivoaha, asandrato ..sns. O ! Ry mpiambina tinendry eo ambony manda, Aza avelanao hangina re ny feonao Ka hijoro izao ny mino, fa tsy hisy banga Eo an-tobin'i Jeso Tomponao. Mivoaha, asandrato ..sns.Белгісіз 2 Amour qui m'entraînes Ликовали в небе силы ALLAHIM XOŞBƏXTƏM He knows my name Alabaster أنت تسكب رحمتك REST ON US Aku Dapat di Hatiku Хвалите Господа все народы
Song not available - connect to internet to try again?