Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao Tompo Andriamanitra ô ! Teny mahasoa, aina, hery koa Mba ho an'izay manoa. Soa tsy manam-paharoa ny fitsipikao Iravoanay, fa harena be Sarobidy, tsy afoy, izany didinao, Famonjena ho an'izay mandre. Maizina izahay, kely fantatray Nefa ao ny teninao : Jiro sy fanilon'ny tongotray, Hankanesana Aminao. Soa tsy manam-paharoa ..sns. Raha alaim-panahy itony zanakao Indro, ao ny teninao, Sabatry ny fo, hanoheranay Ilay ratsy hatrizay, Soa tsy manam-paharoa ..sns. Fifalianay, odi-tahotray Ny Baiboly taminao : Avy ny manjo, nefa kosa, Ray Ao tokoa ny tavanao Iravonay ..sns. Soa tsy manam-paharoa ..sns. Ry Jesosy ô Mpampianatray ! Maminay ny teninao ; Taomy izahay, mba hahaizanay Hankatò ny didinao. Soa tsy manam-paharoa ..sns.Rab Allahım, Hayranlık Duyuyorum Зумыд изкар Тэнад нимыд Ditt ord er en lykt for min fot Лише Ти Ыйык, ыйык, чөгөлөп турам Փոքրիկ փոքրիկ,վախենու՞մ ես Божий Сын Kunnian Herraa palvelkaa ฉันเต็มใจมากล่าว Вифлеемская звезда
Song not available - connect to internet to try again?