Avia ry zaza, avia izao, Fa indro ny Tompo miandry anao ; Lazao an'i Jeso ny zava- manjo, Fa Izy onena ny ory am-po. Jesosy Mpamonjy nanavotra anao, Ka zaza malalany koa hianao, Ka dia matokia tokoa eram-po Fa Izy Mpanjaka mahery sy to. Jesosy no tsy manadino anao, Tsarovy izany ka mba andrandrao Ny Tompo malala Izay be indrafo ; Anao re ny lova tsy mety ho lo. Sasaonao ny foko, Mpanavotra ô ! Ho tonga madio sy mendrika Anao Ho sambatra aho hahita Anao, Mpamonjiko tsara ao an-danitra ao.Yo soy el Señor tu Salvador Жүрегім қуанышқа толы Нині радість стала Boh láska je We Exalt Thee Gesù è il Signor ʿly̱ ṣlyb ʿlq Todo a Cristo yo me rindo Rab'de Daima Sevinin สาธุการพระนาม
Song not available - connect to internet to try again?