Faingàna, ry Mpanjaka ! Handray ny lovanao ; Faingàna re mba haka Ny tany ho Anao ; Avia hampifaly Ny malahelo fo ; Afaho ny mijaly Sy azon'ny manjo. Avia, fa misento Atý ny olonao ; Ny fanjakana ento, Fa Tompo Hianao. Tsy hisy hitomany Eo anatrehanao. Hiadana ny tany Izay alehanao. Ny tendrombohitra avo, Ny lohasaha koa, Ho tonga ravoravo Sy tretrika avokoa ; Ny be tsy haka an-kery, Ny kely afa-po ; Tsy hisy izay ho very Tsy hisy izay hanjo. Mpanjaka sy Mpiaro Mahery Hianao ; Ny firenena maro Hitoky Aminao ; Ho avy lalandava Izao rehetra izao Hitondra harem-bevava Ho eo an-tongotrao. Faingàna, ry Mpamonjy, Ry Tompo be fitia , Ny olonao tra-bonjy Miantso hoe : Avia ! Anao ny fiderana, Anao ny laza be, Anao ny fanjakana Sy arahaba e !Il desiderio del mio cuore Avec des cris de joie Ey Yüce Rabbım في ليلة تألقت Silent Night Rəbb İsa, mənim Allahımsan Hiylagar tun zindonidan Greater Than All Other Names สาธุการพระนาม Glorify Your Name Пенде емес қой Жаратушы
Song not available - connect to internet to try again?