He ! manda fiarovana, Andriamanitsika, Ampinga mahatohana Izay manjo antsika. Mamely fatratra Satana sompatra, Mpandoza hatrizay, Mpamitaka mahay Tsy manam-paharoa. Malemy, tsinontsinona, Fa mora resy isika ; Fa misy voahasina Miady ho antsika ; Jesosy re izay, Ilay iraky ny Ray, Mpitarika mahay, Mpamonjy hatrizay Sy Tompo-pandresena. Na dia ta-handevona Ireo devoly maro, Tsy misy atahorana, Jesosy no Mpiaro ; Ilay rain'ny maizina Dia nohelohina, Ka tsy ahoana, Fa teny tokana Dia mahalavo azy. Kendreny hofongorana Ny teny tanantsika, Kanefa tsy ho foana, Ny Tompo momba antsika. Na dia ho fongana Ny laza ananana, Harena, havana Tsy mampaninona, Ny lanitra antsika.Биз Бир Сунуйуз O Dieu de vérité Служанка Ya Ubanmu, Sa Albarka De Dieu l'amour éternel للعمق يا إلهي Soraklah, Hai Umatnya Krídla جرحونى الناس وكلامهم صعب Место вдохновений
Song not available - connect to internet to try again?