He, ny andon'ny maraina Latsaka ao an-tsaha re, Ka mamelona ny maina, Izay maniry rano be ! Ravoravo e, ny tany, Fa he, ny andro maina efa lany, Ka mitsahatra ny fahantrany, Manaroka ny hazo be. Ny fanahy karankaina Misy rano velona, Fa Jesosy andon'aina Manome fiainana : Velona ny jentilisa, Ny tany hay dia tonga Paradisa Marobe no efa voaisa Handray ny lova masina ! Misy làlana mizotra, Izay mankao Ziona re ; Any no mitanjozotra Ny vahiny marobe ; Ka Ziona dia mivoha Hidiran'ny navotan'ny Tsitoha ; Ao no ivorian'ny mifoha, Fa an'ny Tompo lehibe. He, mikambana ny mino Amim-pifaliam-be. Ka ny hobiny maneno Tahaka ny rano be ! Ao mitovy avokoa, Tsy misy Tompo sy mpanompo koa, Eny, razana iray tokoa Ny mponina ao Ziona re !Sláva tebe nekonečná Chcem oslavovať svojho Pána Печальный свет из грязного окна On je náš Spasiteľ พระองค์ทรงเป็นโล่ล้อม My glory and the lifter of my head Pentru noi s-a ivit mântuirea Найкраща Країна Náš Boh je mocný tvorstva Kráľ أنا عارف غلاوتي فيك Bütün dünyada insanlar
Song not available - connect to internet to try again?