Hitsangana izao Izahay, ry Tompo ô ! Mba hanompoanay Anao, Ampionao izahay. Ny fahotana be Izay vitanay tatý, Dia ibebahanay izao, Ka mamelà anay. Ny tsy finoanay No nijanonanay Tsy nanatonanay Anao Izay ela be izay. Sasao madio izahay, Asio fo vaovao Ho ao anatinay izao, Ry Jeso Avotray ! Inoanay tokoa Fa maty Hianao, Hisolo olo-meloka No nijalianao. Mba manampia anay Hiankina aminao, Fa tokinay ny avotrao Natao tao Kalvary.Спасён Тобой Da jeg så at rensningsfloden أخطأت إليك ạmjd ạlạyạt gẖnwạ Marchad, oh juventud Stand in Your Love إحتملني Libertà di parlare Ježiš, meno Ježiš lk yạ rb ạlsmạʾ
Song not available - connect to internet to try again?