Iza no hiara-dia Ho arý an-danitra, Ka hanaiky sy ho tia An'Andriamanitra ? Ry mikatsaka ny To, Atolorinao ny fo ; Izao tontolo izao ario, Ka ny lanitra fidio. Sao ho lany amin'ota Ny anjara andronao, Ka ny helo valin'ota No hanjary lovanao ; Miovà re hatrizao, Miverena hianao ; Tadiavinao tokoa Ny Mpamonjy Tompo soa. Mba avia, mianara Izay fitondrantena vao ; Mikeleza aina tsara, Ka reseo ny nofonao, Aza mba mamindra fo Amin-dratsy ao am-po, Fa ongoty avokoa Izay misakana ny soa. Tsy mba misy lalan-kafa Hiakaranao ho ao, Koa andeha manahafa Ny nataon'ny Tomponao. Tsy mba mahavonjy anie Ny fahaizan-dehibe ; Raha ny nofo no hajaina, Dia ho very re ny aina. Dia ny lanitra katsaho Ho anjara lovanao ; Ny Mpamonjy angataho Ho mpitarika anao ? Fa izay mpianany Dia hotantanany Iza no hiara-dia ? Mitsangàna ka avia !Love Won't Let Me Down EC-NS Samo želim reći ime Isus (I Speak Jesus) L'angelo Jeesus, luona armopöydän حاجة تهد Ti loderò Reach Out, Touch The Lord Cristo te amo, cuánto te amo سابان توسەلگەن استاۋدا Iʼve gotta let You know that Iʼm so thankful
Song not available - connect to internet to try again?