Jehovah, Ray mahari-po, Izay tia sy mamindra fo O, mihainoa ny hatako : Mba mamindrà fo amiko ! Izaho izay mangataka Tsy azo hamarinina ; Indrisy ! be ny tsiniko ; Mba mamindrà fo amiko ! Tsy tamboko isaina re Ny fahotako marobe, Ka be tokoa ny tahotro ; Mba mamindrà fo amiko ! He ! misy hanatonako Anao, Mpandray mpibebaka : Izaho diso fatratra ; Mba mamindrà fo amiko ! Fa Jeso no Anarana Izay entiko mangataka Ny hamelanao heloka : Mba mamindrà fo amiko ! Tsinjovy re ny zanakao Miverina Aminao izao Fa mitaraina Aminao : Mba mamindrà fo amiko ! O ! mba jereo ka iantrao Izaho miandrandra Anao ; Ny heloko vonoinao, Fa mampisaraka Aminao.Ocean de dragoste şi de iubire Så underfull frelser Himno Al Padre Keď príde môj Pán a môj Kráľ О Отец благослови ạklylh mḍfwr НОВ ЖИВОТ ЩЕ ЖИВЕЕМ ВЕЧНО โอ้ว่าความรัก yạ ạldẖy tḥt ạlậlạm Рождество в небе горит звезда
Song not available - connect to internet to try again?