Jeso Kristy Tomponay, Zanaka malalan-dRay, No naetry ho anay ; Mamonje anay anie. He ! ny fahatsoranao Sy ny fahadiovanao, Tsy mpanota Hianao : Mamonje anay anie. Hianao no marina, Mora fo sy masina, Ary tsy mialona : Mamonje anay anie. Tsy niala sasatra, Tsy nandà ny sarotra, Fa nitondra henatra : Mamonje anay anie. Heloka tsy rariny, Hianao najaliny Tao an-tampon-Kalvary : Mamonje anay anie. Lasanao ny helokay, Raha mibebaka izahay Tsy manao ny sitrakay : Mamonje anay anie. He ! ny fitsangananao, Resy ny fahavalonao Tamim-boninahitra : Mamonje anay anie. Hianao, ry Jeso ô ! Anateranay izao Saotra izay anjaranao : Mamonje anay anie. Fo, fanahy, tena koa, Ho anao mba hahasoa Izay rehetra tia tokoa : Mamonje anay anie.Тик Так, Саате Бак Není odsouzení Гючлю куле Mój wierny Bóg Kel, Kel Bizga, Immanuil Отчеканено крыло Îsa Welidî li ser Dinyayê cóng jīn tiān kāi shǐ องค์ราชันย์ องค์ราชา Come Thou Fount, Come thou King THE GOSPEL BELLS
Song not available - connect to internet to try again?