Jeso Kristy Tomponay, Zanaka malalan-dRay, No naetry ho anay ; Mamonje anay anie. He ! ny fahatsoranao Sy ny fahadiovanao, Tsy mpanota Hianao : Mamonje anay anie. Hianao no marina, Mora fo sy masina, Ary tsy mialona : Mamonje anay anie. Tsy niala sasatra, Tsy nandà ny sarotra, Fa nitondra henatra : Mamonje anay anie. Heloka tsy rariny, Hianao najaliny Tao an-tampon-Kalvary : Mamonje anay anie. Lasanao ny helokay, Raha mibebaka izahay Tsy manao ny sitrakay : Mamonje anay anie. He ! ny fitsangananao, Resy ny fahavalonao Tamim-boninahitra : Mamonje anay anie. Hianao, ry Jeso ô ! Anateranay izao Saotra izay anjaranao : Mamonje anay anie. Fo, fanahy, tena koa, Ho anao mba hahasoa Izay rehetra tia tokoa : Mamonje anay anie.Nie mów, że dawne dni Ты что о друг мой тосклив и мрачен Pokój po bojach, światło po ćmach నన్నాకర్షించిన నీ స్నేహ బంధం O ! RY MINO ! O HENOY yạ ṣạḥb ạlqlb ربي قلت You Wont Let Go В лучах любви Allí la puerta abierta
Song not available - connect to internet to try again?