Misaora ny Mpahary, Tsarovinao ny asany Misaora ny Mpahary Derao ny soa vitany ! Ny helokao rehetra Dia voavelany, Fa tsy mba misy fetra Ny fitiavany : Ny Zanany nafoiny Mba ho mpamonjinao, Ka hianao nantsoiny Handray ny aim-baovao. Ny toky izay nomeny, Sy ny fahasoavana, Maharitra ireny Tsy manam-pahataperana, Avelany tokoa Ny hatezerany, Ka tsy mba hahavoa Antsika olony, Fa Izy mahalala Ny toetsika atý, Ka tena Ray mandala Antsika zanany. He, toy ny voninkazo Ny ain'ny olombelona, Tsy ela dia malazo Ka tena mora levona, Fa Jeso manan-kery Hamoha fasana, Tsy hisy izay ho very Ny olo-masina ; Isika vovotany No namboariny Hiombom-panjakana Sy laza aminy. Misaora ny Mpahary, Ry tany sy ny lanitra ! Ry zava-boahary, Derao Andriamanitra ! Ry irany mahery Manao ny sitrany, Ry zanany izay very, Kanefa hitany, Misaora Azy àry, Fa heniky ny soa, Misaora ny Mpahary, O, ry fanahiko !Господь перед Тобою GEL İSA AL BİZİ Yulduzlardek Cheksiz Rahm-Shafqating mlk ạlmlwk wjlạlk În prezenţa Ta Doamne vreau să rămân Togʻlarga Koʻzlarimni Veniţi căci vreau a spune Günahımı, lanetimi Oh Que Amigo Nos Es Cristo ISAORANAY IANAO
Song not available - connect to internet to try again?