Misaora ny Mpahary, Tsarovinao ny asany Misaora ny Mpahary Derao ny soa vitany ! Ny helokao rehetra Dia voavelany, Fa tsy mba misy fetra Ny fitiavany : Ny Zanany nafoiny Mba ho mpamonjinao, Ka hianao nantsoiny Handray ny aim-baovao. Ny toky izay nomeny, Sy ny fahasoavana, Maharitra ireny Tsy manam-pahataperana, Avelany tokoa Ny hatezerany, Ka tsy mba hahavoa Antsika olony, Fa Izy mahalala Ny toetsika atý, Ka tena Ray mandala Antsika zanany. He, toy ny voninkazo Ny ain'ny olombelona, Tsy ela dia malazo Ka tena mora levona, Fa Jeso manan-kery Hamoha fasana, Tsy hisy izay ho very Ny olo-masina ; Isika vovotany No namboariny Hiombom-panjakana Sy laza aminy. Misaora ny Mpahary, Ry tany sy ny lanitra ! Ry zava-boahary, Derao Andriamanitra ! Ry irany mahery Manao ny sitrany, Ry zanany izay very, Kanefa hitany, Misaora Azy àry, Fa heniky ny soa, Misaora ny Mpahary, O, ry fanahiko !Comme un souffle fragile rby ạ̉nt tstṭyʿ Deeper in love Se cuvine să Te laud Domnul meu ىرايىمىڭ، تەڭىر، بئزدى Свидание 正月初一的时候 rby tạjy Budeš milovať Boha สรรเสริญพระนามพระองค์
Song not available - connect to internet to try again?