Misy tany mahafaly, Tany izay alehanay, Tany misy an'i Jeso, Jeso Tomponay ! Tany soa maharavo, Tany tadiavinay ! Afa-tahotra, afa-doza Izay tafiditra ao. Tany tia mpivahiny, Tany namboarinao, Ry Jesosy be fitia, Jeso Tomponay ! Ho anay atý an-tany Izay mba malahelo fo Noho ny fomban-tany ratsy Mahazatra anay. Maro be ny fahavalo Izay miady aminay ; Mafy ny fakam-panahy Hitanay atý ; Sakan-dalana, ady mafy No alehanay izao : Be tokoa ny mampahory, Nefa fantatrao. Eny, fantatrao, ry Jeso Fa izahay mpanomponao Dia handresy ny devoly Noho ny herinao ; Koa ampionao izahay re Mba hiankina aminao Hahatraranay ny tany Namboarinao.Ta grâce me suffit HİCTE BİRİMİZ Ako rieka vo mne si Сени севдим Белегимсиң Сана селам севги олсун Una voce sola Je veux te louer Ton Eglise triomphante Seou she'arim
Song not available - connect to internet to try again?