Mivoaka ao Golgota Ilay renirano soa Iantsoana ny mpanota Ho any avokoa ; Ny ratran'ny Mpamonjy No loharanon'io, Ka ony mahavonjy Sy tena mahadio. Mamelona ny tany Ity ony soa ity, Izay rehetra ombany Miadana erý, Vahoaka an-tapitrisa Izay misotro ao, Mahita Paradisa Sy fiainana vaovao. Ny fo izay maratra Ka entina mankeo Ny ory sy mahantra Izay manatona eo, Mahita fanafody, Ka sitrana avokoa, Ny ota sy ny rofy Dia afaka tokoa. Fanahy be ahina, Avia misotro ao, Fa io no mampangina Ny alahelonao ; Fanahy ô, hatony Ity ony soa ity, Fa io no mahatòny Ny fanirianao atý. Hianao, ry Tompon'aina ! Isaoranay tokoa, Nanaiky horatraina Handefa ony soa, Ny ranao tao Golgota No iankinanay, Fa mahadio ny ota, Mamelona aina anay.Čistá a slobodná Te slăvesc Isuse pentru tot ce Tu mi-ai dat Дороже мне вас нет на свете Yoʻlda janjallashmanglar أشواق للبركة Приди и пей Istenem, Te vagy mindenem Finalmente Dio Apri i miei occhi Signore BETLEHEMDE DOGDU
Song not available - connect to internet to try again?