Mivoaka ao Golgota Ilay renirano soa Iantsoana ny mpanota Ho any avokoa ; Ny ratran'ny Mpamonjy No loharanon'io, Ka ony mahavonjy Sy tena mahadio. Mamelona ny tany Ity ony soa ity, Izay rehetra ombany Miadana erý, Vahoaka an-tapitrisa Izay misotro ao, Mahita Paradisa Sy fiainana vaovao. Ny fo izay maratra Ka entina mankeo Ny ory sy mahantra Izay manatona eo, Mahita fanafody, Ka sitrana avokoa, Ny ota sy ny rofy Dia afaka tokoa. Fanahy be ahina, Avia misotro ao, Fa io no mampangina Ny alahelonao ; Fanahy ô, hatony Ity ony soa ity, Fa io no mahatòny Ny fanirianao atý. Hianao, ry Tompon'aina ! Isaoranay tokoa, Nanaiky horatraina Handefa ony soa, Ny ranao tao Golgota No iankinanay, Fa mahadio ny ota, Mamelona aina anay.آمد مسیح اندر جهان صممت أني 怜悯我中华主 A celui qui nous a lavés Sonsuzca Minnettarım yạrb qd jʿltk Iata vrei pentru durere yạrb mn gẖyrk yqdr yʿzyny mwsyqy̱ 다와서 찬양해
Song not available - connect to internet to try again?