N'aiza n'aiza Jeso itoeranao, Sambatr'eo akaikinao ny mpanomponao, Ota tsy tafiditr'ao, loza tsy hanjo, Eo no paradisa fanaperan-tsoa. N'aiza n'aiza Jeso no misy Anao, Mamy lalandava ny eo akaikinao. N'aiza n'aiza Jeso hitarihanao, Sahy ny mpanomponao, homba anao izao, Na mamaky afo na mita rano be, Afa-tahotra aho miaraka Aminao. N'aiza n'aiza Jeso hanirahanao, Vonona aho Tompo ô hankato Anao, Hisarahana avokoa izao rehetra izao, Nefa tsy irery izay akaikinao. N'aiza n'aiza Jeso, eo akaikinao, Velona aho Tompo ô ! Eo akaikinao, Eny raha ho faty koa mbola akaikinao, Tokan-teny aho, eo akaikinao.Бог моя Цар ще царува mtsẖạl jwh ạlʿyn Del trono eterno en derredor Yo alabaré Ako jeleň reve, žízni Rab'bin Sarsılmaz Sevgisi Hiç Eksilmez طالع بالنصر Хүндэлье Sprievodcu mám تعليق 3
Song not available - connect to internet to try again?