N'aiza n'aiza Jeso itoeranao, Sambatr'eo akaikinao ny mpanomponao, Ota tsy tafiditr'ao, loza tsy hanjo, Eo no paradisa fanaperan-tsoa. N'aiza n'aiza Jeso no misy Anao, Mamy lalandava ny eo akaikinao. N'aiza n'aiza Jeso hitarihanao, Sahy ny mpanomponao, homba anao izao, Na mamaky afo na mita rano be, Afa-tahotra aho miaraka Aminao. N'aiza n'aiza Jeso hanirahanao, Vonona aho Tompo ô hankato Anao, Hisarahana avokoa izao rehetra izao, Nefa tsy irery izay akaikinao. N'aiza n'aiza Jeso, eo akaikinao, Velona aho Tompo ô ! Eo akaikinao, Eny raha ho faty koa mbola akaikinao, Tokan-teny aho, eo akaikinao.Regocijad, el Rey ya viene يسوع ما أعظمك О дождях Ô, duša Te alabamos Señor Avrai cura di me Kechirimli boʻlinglar Jesus har frelst meg Siz hepiniz dayanın Приходит всё, проходит всё
Song not available - connect to internet to try again?