Ry Andriananaharinay ! Ny hamasinanao Dia tena lehibe tokoa, Raha te-hahita Anao izahay, Tsy maintsy tsara fo. Ny mason'ny anjelinao Mahita Anao tokoa, Ka tsy mba manjambena ireo, Na dia mamirapiratra, Ny hamasinanao. Fa tsy nanota taminao Akory izy ireo, Tsy meloka, tsy menatra, Ka misy hahazoany Hijery tsara Anao. Fa izahay, maloto fo, Raha te-hahita Anao, Tsy mana-mahamendrika, Fa zanak'olombelona ; Ahoana no hatao ? Ry Andriananaharinay ! Ny ran'ny Zanakao, Ny asan'ny Fanahy koa, No zava-mahamendrika Anay hahita Anao.Кудай, Сен - менин Атам ạlrb ly rạʿy Һәқиқәтни издидим мән mn zmạn ạkẖtrtny أنا جاي أسبح mydly yạ mạ ạ̉ʿjb ḥb ạlfạdy Ты Дыхание Моё Колларъндайкен Nad horami ráno nové
Song not available - connect to internet to try again?