Ry Jehovah, Ray Tsitoha ! Mba avia hialoha Sy hiaro ny mpandeha ; Lavi-dalana haleha, Mba jereo ny olonao ; Sarak'olona, irery, Sady tsy mba manan-kery, // Ka jereo, ry Tomponay ! // Mba tazano ny mpandeha ; (in-3) Hianao no herinay. Ao ny andro mamanala, Sakambino ao an'ala ; Raha mandeha mita rano, Mba hazòny sy tantano, Ka vonjeo ny olonao ; Be ny zavatra mihatra Izay manimba sy mandratra, // Ka vonjeo, ry Tomponay ! // Mba arovy ny mpandeha ; (in-3) Hianao no aronay. Raha ory, mba tohano, Ka vimbino sy tantano Tsy ho reraka ny fony, Aza afoy, fa mba hazòny, Iantrao ny olonao ; Raha mahantra izy any, Ory sady mitomany, // Dia vangio, ry Tomponay ! // Mba tsarovy ny mpandeha (in-3) Hianao no tokinay.நற்கிரியை என்னில் துவங்கியவர் On My Side Iso yetakla Doamne Isuse pentru noi Naplň ma Astăzi cânt voios 荣耀啊神羔羊 Combien j'admire tes demeures Тихо мерехтять на небі зорі على صليب
Song not available - connect to internet to try again?