Ry Jehovah, Ray Tsitoha ! Mba avia hialoha Sy hiaro ny mpandeha ; Lavi-dalana haleha, Mba jereo ny olonao ; Sarak'olona, irery, Sady tsy mba manan-kery, // Ka jereo, ry Tomponay ! // Mba tazano ny mpandeha ; (in-3) Hianao no herinay. Ao ny andro mamanala, Sakambino ao an'ala ; Raha mandeha mita rano, Mba hazòny sy tantano, Ka vonjeo ny olonao ; Be ny zavatra mihatra Izay manimba sy mandratra, // Ka vonjeo, ry Tomponay ! // Mba arovy ny mpandeha ; (in-3) Hianao no aronay. Raha ory, mba tohano, Ka vimbino sy tantano Tsy ho reraka ny fony, Aza afoy, fa mba hazòny, Iantrao ny olonao ; Raha mahantra izy any, Ory sady mitomany, // Dia vangio, ry Tomponay ! // Mba tsarovy ny mpandeha (in-3) Hianao no tokinay.Ты неизменный Бог Мы приветствуем тебя Слава Тебе Zdravas' , Mária, milosti plná I ' Tak si pozdravená Jeru- Jerusalem اشىلدى ٴسانى ٴومىردىڭ آقْلِه مْن ناگْرَه The Lord's Prayer خذني بقرب قلبك МИР КАТО РЕКА
Song not available - connect to internet to try again?