Ry Jeso ô ! midina, Jereo izahay izao ; Atreho sao variana, Ka tsy mahita Anao, Hazoninao ny saina, Hijery tsara Anao, Mba tsy ho very maina Izao fivoriana izao. Ry Jeso ! hamasino Ny toe-piainanay, Ka dia ampidino Ny hery ho anay ; Ny bitsika mangina Ataovinao izao, Hamelom-paniriana Hanao ny sitrakao. Ry Jeso ô ! monena, Midira Hianao, Ny fonay mamantena Handray Anao izao ; Ka izay misalasala Ampaherezonao, Dia taomy hahalala Ny fitiavanao. Ny hatakay mangina Henoy ka valio, Koa dia mitenana Hianao ankehitrio, Ry Jeso ! Mpanazava Ny dianay atý, Omàny lalandava Ny fonay ho arý.شذرة 2 Grida di gioia Սուրբ ես dẖqt ldẖẗ ạlʿạlm Tout l'honneur Сен Давосан Весельем и песнями славьте Того, Aky priatel BAK KALBİME GÖR BENİ A Cikin Yesu Na Sami Rai, A Cikinsa Kaɗai
Song not available - connect to internet to try again?