Tsy fantatrao va Ilay namonjy anao ? Ry havako ory izao ? Mitady anao Ilay namonjy anay. Maniry hamonjy anao ; Mihainoa ny hamonjy anao Manao hoe : " Manatòna anio, Na dia be aza ny ratsy natao, Dia mety ho afaka izao. " Fa tonga tatý Ilay namonjy anay Ka nampijaliana tokoa ; Ny rany izay namonjeny anay Hamono ny helokao koa ; Mihainoa ..sns. Misento anao Ilay namonjy anay, Ry olo-mahantra atý ! Tomany anao Ilay namonjy anay Fandrao dia ho very arý ; Mihainoa ..sns. Henoinao izao ny hamonjy anao, Hiadam-pinaritra am-po ; Faingàna handray ny homeny anao Dia lova tsy mety ho lo ; Mihainoa ..sns.Jistota vzácná إنكار الأصنام Tvár k Tvojmu trónu obraciam Блажен кто на Тебя уповает يسوع أنت رايتي lmạ ạlrb yswʿ ạ̹dạnạ يا إلهي قد خلقتني كاملًا İmmanuel Глянь, человек, вокруг стонет от грехов земля Na Golgotę, duszo, śpiesz
Song not available - connect to internet to try again?