Ry Jeso ! mba henoinao Ny feonay mpanomponao Izay mivavaka Aminao, Mitady fitahiana Vokiso ny Fanahinay, Ny teninao no haninay, Hahaizanay mamahana Ny reraka ao an-dalana. Ampaherezonao izao Ny tànanay mpanomponao, Hanohana ny olonao Miraviravy tanana. Omeo fo mazoto re ! Tolory fahendrena be ; Tarihonao ny hevitray Tendreo koa ny molotray. He ! tsinontsinona izahay Malemy sady tsy mahay ; Ka dia ampaherezonao Hanaovanay ny sitrakao.Bavê Me Yê li Ezmanan Migilo Sika Thi Loor a ti, mi Dios, en esta noche Рух'ун Гюджюйле Mientras Viva İsmin ne yüce Gne gne gne! Zo Mutane Dukan Ku Vestea buna din cer LANGOEDMOR
Song not available - connect to internet to try again?