Taona tokana sarobidy Ka isaorana Ilay Tsitoha Tena taona mba fitadidy Fa tsingerina mampifoha Ny hafalian'ny lohantaona No manenika izato lasy // Fa naharitra ka tsy foana Ny Baibolin'ny Malagasy // Ny vahoakan'ny firenena 'Njao mianoka fifaliana Fa ny Tenin'ny Famonjena No rnivimbina fitahiana Ka manenika ny eran-tany Sy manerana ny tontolo // Ary isany tamin'izany Ny taninay ka niova volo. // Be ny sarotra nosetraina Be ny sakana izay nandrara Nisy aza famoizana aina 'Zay voarakitry ny tantara. Nefa, tao Andriamanitra Ka ny Teniny tsy mba resy // No sabatra iray maranitra Nampahatoky sy nampandresy // Irina indrindra ho tafatoetra Hitondrana ny firenena, Ho filamatra, tarigetra Izany tenin'ny Famonjena: Ny fitiavana hahazo laka, Filaminana no hiseho, // Fiadanana no hanjaka, Ny fahantrana ho foana hatreo //能出一把力就出一把力 Алкъшлаярак Севинирим Môj milý Ježišu ạlkẖṭyẗ ʿmlt sḥạbẗ ạ̹nt wḥdk Мөнхийн түшиг Siunaa ja varjele meitä 有谁在祷告 Ach, čo som to len urobil Todo el mundo ha de saber
Song not available - connect to internet to try again?